Chapter 21 : Verse 4
Ary Ahaba nankany an-trano sady malahelo no sosotra noho ny teny nolazain’ i Nabota Jezirelita taminy hoe: Tsy homeko anao ny tanindrazako. Dia nandry teo am-parafarany izy ka nampihodina ny tavany sady tsy nety nihinan-kanina.